Accueil du site La Tribune
 
Avril 2018
LMMJVSD
2627282930311
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30123456

FAHAIZA-MITANTANA

Article publié le lundi 26 septembre 2016.


Fahaiza-mitantana

MIAVAKA AMIN’NY SOATOAVINA TIA MANAO NY TSARA NY PROTESTANTA

Anisan’ny soatoavina (valeurs) protestanta ny fanaovana ny tsara amin’ny atao rehetra. Ilaina hatrany anefa ny mametraka ireo zavatra hahafantarana izany, mba tsy hahavery azy.

ATAOVY TSARA IZAY TSARA ATAONAO

Aza mionona fotsiny amin’ny hoe efa manao izay tsara aho, toy ny hoe tsy mangalatra na mandainga. Tsy manao kolikoly aho, efa manampy ny mpiara-belona aho. Tsy ampy ho an’ny Soatoavina protestanta izany, fa rehefa manao ny tsara izy, dia ataony lafatra izany zavatra izany. Io fikatsahana ny lafatra amin’ny zavatra ataony io dia manamarika mihitsy hoe Protestanta ny mpino iray.

REHEFA VITA TSARA NY ZAVATRA ATAONAO, DIA MANGINA NY MPITSIKERA, ARY AFA-PO NY REHETRA

Tsy ilaozana mpitsikera ny asa natao na ny soa vita. Efa kolontsain’ny olona sasany rahateo ny mitsikera, ka dia ampoizina fa hiteny an’izany hatrany izy ireny. Miteraka fahakiviana sy fialana tsy hanao intsony anefa ireny fitsikerana ratsy tsy misy fijanonany ireny. Ireo olona tokony hanaovana soa koa, vokatr’izany, dia tsy hahazo izany intsony. Tsotra ny fomba handresena ny mpitsikera : ataovy lafatra izay zavatra ataonao, dia hangina izy.

NA TONDROINA HO RATSY AZA, DIA MAHAVITA NY TSARA HATRANY

Izay miasa ihany no voateniteny ho tsy mahay, ratsy fiasa, tsy mahafa-po. Mety manampy ihany ireny teny ratsy faheno amin’ny olona miasa ireny, mba hampivoatra azy. Rehefa tsy misy afa-tsy izany hatrany anefa, dia hihemotra sy hitsoaka an-daharana amin’ny farany. Dia jereo ny vavan’ny akoho : bingo, fa mahahinan-kanina sady mahasotro rano tsara ! Ny fandehan’ny alika : mivilina, fa lasa lavitra !

VITAO ARA-POTOANA NY TSARA ATAONAO

Tena zava-dehibe ary ny fanaovana ho lafatra izay ataon’ny Protestanta. Aza hadinoina hatrany anefa, fa na dia vita tsara sy lafatra aza ny zavatra iray, rehefa tsy vita tamin’ny fotoana nilana azy, dia toy ny tsy vita sy tsy nisy ihany. « Ranomaso tsy miaraka amam-paty » izany. Io fahadisoam-potoana io no fahavalon’ny fitantanana voalohany indrindra. Aleo mandà tsy hanao , toy izay manao nefa tsy ho vita ara-potoana.

A.Zaka, Mpitandrina



Forum de l'article

M.K.M.B. M.K.M.B.-20 Date de heure de Bruxelles :
Mercredi 25 Avril 2018 - 19:58:47