Accueil du site La Tribune
 
Avril 2018
LMMJVSD
2627282930311
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30123456

Fanandevozana ny ankizy (mampiasa zaza tokony hianatra)

Article publié le mercredi 29 juin 2016.


MAKA TOERANA NY FANANDEVOZANA NY ANKIZY

Miroso mankamin’ny fahantrana hatrany ny ankamaroan’ny firenena maro eran-tany. Ny fientanan’ny toe-karena eran-tany dia nambaran’ny Banky Iraisam-pirenena fa, hisy fihemorany amin’ity taona ity. Raha 2,9 % no nambarany tamin’ny fiandohan’ity taona 2016 ity, dia hihena ho 2,4% izany. Ny faharatsian’ny fepetra iainan’ny mponina ankehitriny no mahatonga azy hilentika hatrany ao anaty fahantrana lalina, hoy Rtoa Coralie GEVERS, izay solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena eto amintsika. Anisan’ny voa mafy indrindra amin’izany ny ankizy, izay tsarovana manokana mandritra ity volana jona ity.

FANANDEVOZANA ERAN-TANY

Araka ny Global Slavery Index, izay niorina ny taona 2013, mandinika Fanandevozana misy eran-tany, dia mahatratra 30 tapitrisa ny olona andevozina ankehitriny. Fepetra telo (3) no nahazoana izao antontanisa izao, dia ny fanandevozana ankapobe, ny asa anterivozona, ary ny fanondranana olona.

Amin’izany, dia misy avy amin’ny Fianakaviana no mandefa ny ankizy ho andevo. Ao ny Fiarahamonina no mitady ankizy atao andevo, na eo an-tanàna na any ivelany. Ary misy tambazotra iraisam-pirenena mihitsy, mihaza sy manondrana olona hatao andevo any ivelan’ny fireneny, toy ireny mandefa mpiasa any amn’ny tany arabo ireny, na any Shina ireny. Misy ny amidy mihitsy, miendrika « sous-traitant » : ny ray aman-dreny no mandray ny vola karaman’ny zanany, amin’ny fambolena na fiompiana, asa an-trano, fivarotan-tena, fanaovana biriky, sns.

TATITRA FANANDEVOZANA

Ny Fikambanana tsy miankina iray atao hoe Free Walk (ONG), dia nanao tatitra momba ny Fanandevozana eran-tany, ka firenena 65 no navoakany tao. Lazainy fa, ny vehivavy dia ampiasaina mivaro-tena, fa mody atao mpiasa an-trano, na mpiasan’ny trano fisakafoana na tsena. Ary ny lehilahy kosa dia terena hangataka eny amoron-dalana, toy ny hita any Gambie ao Afrika. Misy koa ny ankizilahy no ampiasaina amin’ny fivarotan-tena fanolanana ankizilahy (pédophilie).

Ny any Pakistan dia terena hiasa sy andevozina ny ankizy, mba hialan’ny ray aman-dreniny amin’ny trosa tsy afany. Ary misy ifandovan’ny taranaka mihitsy io fanilihana ny trosa tsy afaka io, dia lasa andevo hatrany isaky ny taranaka mifandinmby. Ny any Moldavie dia andevozina ny ankizy, dia amidy hakana taova rehefa mahita mpividy.

Mauritanie no firenena tompon-daka amin’ny fanandevozana, satria dia ny 20% amin’ny mponina ao aminy, dia andevozina avokoa. Manaraka azy i Haïtie, Pakistan sy Inde. Anisan’ny firenena manandevo ny olona ao aminy koa i Russie sy Pologne. Vaovao mahafaly ho antsika kosa, fa tsy mba voalaza ho firenena mpanandevo ny vahoakany i Madagasikara. Tsiahivina fa, na dia Frantsa aza dia ahitana andevo miisa 8500 ao aminy, avy amin’ny firenena arabo sy afrikana ary aziatika sy eoropeana tatsinanana.

FIVAVAHANA MANANDEVO

Anisan’ny hita ho manandevo ny mpanaraka azy ny fivavahana. Ny Sekta kristiana sasany dia mpametaveta ireo ankizivavy kely mpanaraka azy, lasa « kilalaon’ireo mpitarika fivavahana (gourou). Misy amin’izy ireny no tsy fantatry ny ray aman-dreniny akory, na efa nandositra mihitsy ny tokantranony.

Ao ny andevozin’ny Fiangonana kristiana sasany, amin’ny alalan’ny fanolanana ny ankizilahy. Efa taona maro no nandrenesana izany eran-tany, indrindra tany amin’ny firenen-dehibe maro.

Ahitana fanandevozana ankizy koa anefa ny fivavahana silamo. Ao ny fanerena ny ankizivavy kely hanambady lehilahy lehibe tokony ho rainy na raibeny mihitsy. Ny Sekta silamo toy ny Fanjakana islamika, dia manofana ankizilahy latsaky ny 16 taona ny ankamaroany, ho mpiady djihadista. Ny tao Syrie fotsiny dia efa nisy 1100 ny ankizy nantsoiny hoe « liona kelin’ny Califat », nofaniny ho mpiady. Asainy manao vivery ny ainy ireny amin’ny fitondrana baomba hapoaka eny amin’ny toerana be olona. Ao ny ampanaoviny asa fitsikilovana hahazoana vaovao, ary misy asainy mamono ireo gadra azo sambo-belona.

MADAGASIKARA

Tsy hoe zavatra tsy fahita eto Madagasikara akory ireo voalaza rehetra ireo. Tena misy sy iainana eto ireo, any amin’ny toerana samy hafa any. Efa heno eto ny ankizy viravirain’ny mpanao politika sy mpampianatra sy mpandraharaha mpanam-bola, na vahiny na teratany. Hita eto ny ray aman-dreny manao sorona ny zanany amin’ny fampivarotana ny tenany. Ary efa manomboka re koa ny fitadiavana ankizy ho mpiady djihadista eto amintsika, izay sintonina amin’ny fanampiana sy fampianarana maimaimpoana, na an-drenivohitra na any ivelany. Ny mivaro-janaka ara-bakiteny moa dia tsy zava-baovao eto amintsika intsony, toy izany koa ny fandrenesana fa misy zaza very noho ny resaka taova. Tsy asian-teny intsony ny mampangataka ny ankizy eny amoron-dalana.

PS



Forum de l'article

M.K.M.B. M.K.M.B.-20 Date de heure de Bruxelles :
Mercredi 25 Avril 2018 - 19:58:26