Accueil du site La Tribune
 
Avril 2018
LMMJVSD
2627282930311
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30123456

Faculté de Théologie Protestante Ambatonakanga . Infos.

Article publié le jeudi 7 janvier 2016.


FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA

SEKOLY AMBONY AMIN’NY TEOLOJIA

FACULTE DE THEOLOGIE

TOERAM-PANOMANANA MPITANDRINA

AMBATONAKANGA

« Mahatoky izao Teny izao : raha misy maniry ny asan’ny Mpitandrina dia maniry asa tsara »I Tim. 3 :1

I - NY FIORENANY :

Ny Faculté de Théologioe Ambatonakanga dia iray amin’ireo Toeram-panomanana Mpitandrina misy ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara.(FJKM).

Niorina tamin’ny taona 1979 :

-   1979-1982 : Institut Préparatoire de Théologie ( IPT)

-   1982 : Nafindra teny Ambatonakanga ka nitondra ny anarana hoe : Faculté de Théologie.

-   Ny Mpianatra azo raisina hianatra ao amin’ ny Faculté de Théologie Ambatonakanga dia tanora 23 ka hatramin’ny 35 taona ; manana ny mari-pahaizana Baccalauréat farafahakeliny.

II- TANJONA SY ZAVA-KENDRENY :

Tanjona : Ho mpitandrina mendrika ny fiantsoana

Zava-kendrena :
-  Fifantohan’ny mpianatra @ fianarana

-  Fitomboana @ fiainam-panahy

-  Fahavononana @ fanatanterahana ny asa pastoraly

-  Fahavononan’ny mpiomana ho mpitandrina handeha @ izay rehetra hanirahana azy

III - NY SEHATRA AKADEMIKA

1- Ny faharetan’ny Fianarana :

-  Taona fahatelo ahazoana ny mari-pahaizana Licence en Théologie

-  Taona Fahadimy manao ny Lahatsoratra famaranana hahazoana ny mari-pahaizana Maîtrise en Théologie.

2- Ny Fandaharam-pianarana :

-  Fandaharana Fototra

o Théologie Pratique

o Théologie Biblique

o Théologie Chrétienne sy Ethique

o Histoire de l’Eglise et histoire de Réligion

o Missiologie

3-Fampiharana

o Sermon classe

Fizarana asa any amin’ny Fiangonana

o Firotsahana an-tsehatra :

-  T1 sy T2 :Tafika Masina (Departemantana’ny Teolojia Pratika)

 T3 : Fitsidihana Toby (Departemantan’ny Tantara )

 T4 : Asa sosialy sy fitoriana eny amin’ny Fiarahamonina

( Departemantan’ ny Missiologie)

4-Fifandraisana amin’ny any ivelany : Fandraisan’ny mpianatra anjara amin’ny Fandaharan’asan ny CWM : Mpianatra 1na 2 isan-taona :FACE TO FACE

IV- NY ANDRAIKITRY NY AUMONIER

1-Fikoloana ny Fiainam panahy

-   Fanompoam-pivavahana isa-maraina

-   Fanompoam-pivavahana isaky ny kilasy

-   Fanompoampivavahana iombonana

-   Sermon classe isaky ny Alakamisy hariva

2 - Fiahiana ny fiainan’ny mpianatra

-  Fandraisana izay mpianatra manana olana samihafa

-  Fandraisana an-tanana ny mpianatra tra-pahasahiranana ( Fitsaboana, voina sns...

-  Fanaovana antso amin’izay Fiangonana afaka manome fanampiana ho an’ireo mpianatra izay hita fa sahirana

3 - Fanaraha-maso ny fanajana ny Fifampifehezana :

-   Ny fahavitrihan’ny Mpianatra

-   Ny fitondrantenan’ny Mpianatra

-   Ny olana eo amin’ny fifandraisana

Dingana arahina :

-   Fanadihadihana

-   Fananarana

-   Fampitandremana

Dinika hatao :

-   Amin’ny mpianatra Taona voalohany

-   Amin’ny Mpianatra mikasa hivady

-   Amin’ny mpianatra iharan’ny Fitsipika

-   Amin’ny mpianatra manana olana

4-Fandaminana Fizarana asa

-   Ny Taona faha-5 : eto Antananarivo renivohitra

-   Ny taona faha-4 : any Antananarivo manodidina

-   Ny taona faha-3 : any Ambanivohitra

5- Fanomanana Tafika Masina :

-  Taona voalohany : eto Antananarivo sy ny manodidina

-  Taona faha-2 : any amin’ny Faritany

6-Fanomanana ny Delegasiona Pastoraly (D.P) ny Taona Faha-3 :

-   Fampianarana ny Taranja Teolojia Pastoraly ao amin’ny Taona faha-2

-   Fanomanana ny Fandraisana D.P

o Toro-làlana pratika

o Fitokanam-bavaka sy Fiomanam-panahy

o Fanompoampivavahana Fanokafana ny Taona Akademika sy Fanolorana D.P ny taona fahatelo.

7-Fomba Fiasa

-  Fifandraisana amin’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana sy ny President Synodaly amin’ny fandaminana ny Fizarana asa.

-  Fiaraha-miasa amin’ireo Fikambanana Mpanohana ny Toeram-panomanana toy ny F.M.T.P.M ,Komitin’ny Crèche , Komitin’ny Vadin’ny Mpianatra sns...

-  Fandraisana ireo mpanao asa soa : Sampana Dorkasy , Faritra , Firaisan’ny Diakona sy Loholona A.R ; Paroisse Internationale Andohalo sns

-  Fiantsoana ireo mpiara-miombona antoka vonona hanohana ny Toerampanomanana Mpitandrina



Forum de l'article

M.K.M.B. M.K.M.B.-20 Date de heure de Bruxelles :
Mercredi 25 Avril 2018 - 19:49:15