Accueil du site La Tribune
 
Février 2020
LMMJVSD
272829303112
3456789
10111213141516
17181920212223
2425262728291

Mianara mivavaka amin’ny zava-miseho samihafa...

Article publié le mercredi 3 juin 2015.


MIANARA MIVAVAKA

AMIN’NY TOE-JAVATRA SAMIHAFA

JAKOBA 5.13-18

1-Toe-javatra toy inona avy moa izany ?

-  Ao amin’ny fahoriana (and13) mety mampitomany sy mandreraka fo amam-panahy .
-  Ao ny aretina mpahazo olombelona (and 14-16)
-  Ao ny aretim-pifandraisana mpitranga eo amin’ny firaha-monina (and 16)

2- Vavaka toy inona no tokony hatao amin’ireny ?

Vavaka amim-pinoana : ataon’ny loholon’ny fiangonana izany dia hamonjy ilay marary : ho sitrana sy ho voavela heloka izy (and 14-15). Marika ihany ny diloilo fa ny finoana sy ny vavaka no zava-dehibe .

Vavaka amim-po madio ataon’ny marina izany dia ny mpianakavin’ny finoana vonona hifamela heloka ka hahazoana fanasitranana (and 16). Vavaka amim-paherezana toy ny vavak’i Elia izany ka nahabaiko na dia ny ranonorana aza . Vavaka teraky ny fifandraisana manokana sy lalina amin’ny Tompo izany ka nahatonga an’i Elia hakarina velona mihitsy (vakio Mpanjaka 17.2 ;2 Mp 2)

Vavaka tsy voafetra : misy ny ataon’ny tena samirery (and 13 ), misy ny iarahana amin’ny fiangonana (and 14-15) . Mifameno ireo : tsy miandry fotsiny ny ataon’ny fiangonana ianao fa ianao koa mivavaka .

IAA,Mpitandrina



Forum de l'article

M.K.M.B. M.K.M.B.-20 Date de heure de Bruxelles :
Vendredi 21 Février 2020 - 13:58:24